Wikianja

From Wikianja

Jump to: navigation, search

Contents

WiKianja ?

Tonga soa eto amin'ity **WiKianja** ity indray ianao. Kianja hiarahana milalao sy miasa. Afaka manoratra ato daholo izay te hanoratra. Jereo etsy ambany ny fomba hatao amin'izany. Mbola tsy amin'ny teny gasy tanteraka ity amin'izao fotoana izao fa ho avy ny fotoana hahagasy azy toy ny serasera rehetra.

Inona no atao hoe Wiki ?

Ny w:wiki dia takelaka iraisana. Izany hoe afaka manoratra daholo ny mpandalo rehetra izay te hanoratra (arakaraky ny andaminan'ny tompony azy). Ny takelaka efa vita ao anatin'ny wiki koa dia azo ahitsy sy ovaina. Ny wikianja eto amin'ny serasera dia wiki ahafahan'ny tsirairay mampiditra izay tiany hampidirina eo amin'ny toerana natokana ho an'izany ary indrindra koa toerana ahafahana miara-miasa amin'ny fanatsarana ny serasera.

Ahoana ny fandraisana anjara?

Ny takelaka rehetra ato anatin'ity wikianja ity, ankoatra ny takelaka vitsivitsy izay natokana manokana dia azon'ny rehetra ahitsy na ampiana. Ny rehetra koa dia afaka manokatra sy mamorona pejy vaovao. Toa izao ny fomba fanokafana pejy vaovao.

Natokana ato amin'ny wikianja ho an'ny namana daholo ny takelaka vaovao

Ndao ary

Ndao ary ho ao amin'ny WiKianja ho an'ny namana dia mazotoa daholo.

User's Guide

Serasera.org