Serasera:Toe-draharaha
From Wikianja
Contents |
Fanovana momba ny toe-draharaha
[Jereo eto ny fanovana natao momba ny toe-draharaha]
Fampiantranoina
'update --Hery 6 jan 2006 à 09:43 (EST)
Efa tsy ao amin'ny godaddy intsony indray Efa serveur dedi¨é ihany koa hatramin'ny décembre
update
Nafindra ao amin'ny godaddy.com indray izany ny serasera vokatry ny fahatapahana tsy voafehy tao amin'ny rosehosting.com. Serveur dédié ihany, RAM 512, HDD 10Go. Isaorana an'i rado@linuxmg.org ihany tamin'ny fanampiana tamin'ny installation Hita fa tranainy be ilay serveur. Mieritreritra ny hanavao azy tanteraka aho rehefa misy fotoana. php-4.2.2 no ao amin'izao fotoana izao ary voatery novaina daholo ny scripts (imagecreatetruecolor nesorina, ftp nesorina)
--Hery 28 avr 2005 à 10:38 (MST)
Amin'izao fotoana izao dia mbola ao amin'ny rosehosting.com no misy ny serasera.org. Serveur virtuel dedié, RAM 512, HDD 3Go. Nisy olana kely tamin'ny voalohany satria tsy nahay Linux mihitsy aho ka i rado@linuxmg.org no nantsoina hanao ny install. Izaho kosa niezaka nianatra vetivety ny fitantanana serveur linux. Tamin'ny voalohany koa dia nanana olana momba ny m?moire miasa ka nesorina tsikelikely ny logiciels tao amin'ilay machines. Amin'izao fotoana izao dia efa mandeha tsara ary efa nihena be koa ny m?moires miasa ka afaka averina tsikelikely ny logiciels izay mety mbola ilaina. (mailing-list sy spamassassin ary FTP ohatra)
Ny olana kely mety mitranga indraindray dia mijanona tampoka ny mySQL (niseho in-telo io hatramin'izay ka ny roa voalohany dia nandritra ny iray volana nanaovana ny installation). Nasiako script mandefa email d'alerte aty amiko sy manao redemarrage automatique-n'ny mySQL rehefa mijanona tampoka toa izany, fa indraindray tsy mahasehaka azy ka voatery manao intervention manao redemarrage. Io no somary olana raha sendra mitranga tampoka amin'ny fotoana tsy hananako internet... efa mitady vahaolana matotra amin'ny ahafahan'ny admins manamboatra an'io aho.
Amin'izao fotoana izao izany dia mahafapo ihany ny rosehosting.com. Hitako manatsara ny service-ny ihany koa ry zareo.
Nisy resaka hoe halefa any amin'ny serveur tantanan'ny linuxmg.org ny serasera. Mbola eo am-panomanana ny ordinateur amin'izany ry zareo fa holazainy ihany rehefa vita izay vita. Ny serveur ao amin'ny rosehosting, raha ohatra ka mifindra ny serasera, dia mety hampiasaiko ihany.
Resa-bola
update --Hery 28 avr 2005 à 10:42 (MST) Koa satria niova toerana ny serasera.org (godaddy.com) dia niova ihany koa ny vidiny. Tafakatra ho 35$ izy amin'izao fotoana izao. Tamin'izany no nanapahan'ny namana vitsivitsy hevitra mba hanangombola handoavana ny hébergement. Namana 20 no natonina hanampy ary efa vonona daholo. Isaorana i betty amin'ny fanangonana ny vola ary isaorana i ds amin'ny fitantanana ny vola.
Nanana olana kely teo amin'ny fandaminana ara-bola ny serasera.org tamin'iny enim-bolana farany iny noho ny fitombon'ny fiovaovan'ny h?bergeurs. Efa nandalo tao amin'ny Lunarpages, dia nifindra tao amin'ny midphase.com dia izao voatery naka Serveur VDS izao. Tsy mbola tena nanana olana ara-bola ny serasera na izany aza. Misy tahiry nohezahana tsy nokitihana any amin'i doc.strange raha sendra tena misy olana. Tsy nokitihana mihitsy izany na dia tamin'izao fifindrana tao amin'ny rosehosting izao aza satria mbola nisavoritaka tamin'ny resaka remboursement sns. Indrindra koa mbola niova ny carte bancaire an'i DS ka navelako hilamina aloha.
Ny zavatra nataoko dia niantso fanampiana mba hindramana Carte Bancaire mandritra ny iray na roa volana mandra-pilamin'ny situation. I Fa (ftma ao amin'ny namana) no nanome an'io sosokevitra io ka nampiasana nividianana ny h?bergement volana voalohany tao amin'ny rosehosting ny Carte-ny. Izy moa tonga dia nanolotra roa volana (octobre, novembre). Dia nilamina aloha ny resaka ara-bola nandritra ny roa volana hiandrasana ny linuxmg. 19,95 $ isam-bolana no nalaina tamin'i Fa. Rehefa hanova ny Carte de cr?dit aho dia niteny izy fa hataony koa ny D?cembre fa amin'ny 2005 vao ovaina ny carte. Izany hoe nanolotra 59,85 $ (50 euros eo ho eo) ho an'ny h?bergement serasera i Fa nandritra ny telo volana. Efa nandefa fisaorana manokana ho azy aho.
Nandritra izany dia nanokatra compte tao amin'ny Banky aho ka nanomboka tamin'ity volana Janvier ity dia ny Carte Bancaire-ko no ampiasaina tamin'ny h?bergement serasera.org. Tsy dia lafo loatra ilay 19,95$ hatramin'izao. Efa hitako sahady fa hisondrotra 29$ nefa io afaka volana iray na roa satria efa izany no affich? ao amin'ny site-ndry zareo. Ankoatran'izany dia mbola mandeha tsara ihany ny resaka Allosponsor. Manana fikasana anefa aho hoe rehefa vita ny fanatsarana ny endriky ny serasera dia ajanona amin'izay ilay popUp an'ny Allosponsor fa manelingelina ihany. Misy ihany koa ireo mandefa fanampiana mivantana amin'ilay compte paypal hery@serasera.org izay i DS ihany koa no mitantana azy.
Izay izany aloha ny resa-bola izay ahitana fa mbola milamina ihany ny serasera.org
Resaka fanatsarana (somary teknika)
Eo am-panatsarana ny site rehetra ao amin'ny serasera.org aho amin'izao fotoana izao. Ny tanjona dia ny fanamaivanana ny scripts izay efa antitra daholo (3 taona ny tanora indrindra) ka niadana be. Sarahina ihany koa ny scripts sy ny design mba ahafahana manamboatra endrika tsaratsara. Ny tononkira.serasera.org no nisantarana an'izany. Ny hita niova aloha dia ny hafainganana. Ny endrika ivelany mbola hatsaraina. Dia hanaraka koa ny sites hafa rehefa avy eo. Amin'izao fotoana izao aho dia mampiasa fitaovana vitsivitsy izay be mpampiasa sy mora ianarana. Smarty Template Engine (http://smarty.php.net) eo amin'ny fanasarahana ny endrika sy ny codes. Ez_sql (http://justinvincent.com) eo amin'ny fikirakirana ny base de donn?es. SZMail eo amin'ny fikirakirana ny emails.
Nokasaiko ho vita tamin'ity fiandohan'ny taona vaovao ity ny fanavaozana rehetra saingy tsy tratra fa hay asa be. Teo koa moa ny andraikitra isankarazany. Inoako anefa fa tsy ho ela dia ho vita daholo ireo.
Resaka fitantanana
Araka ny efa faniriako tato ho ato dia hosokafana bebe kokoa hatrany ny fitantanana ny serasera. Isaorana be dia be aloha ianareo efa nanao hatrany izay vita. Anisan'ny laharam-pahamehana amin'izao fotoana izao ny fanamboarana ny site http://serasera.org/admin mba ahafahan'ny olona vitsivitsy mifampitsinjara asa eo amin'ny fitantanana ny serasera... satria ny entan-jarai-mora zaka. Hosokafana koa ny fanatsarana sy ny fanamboarana ny scripts ary ny mety ho fanokafana sites sy tolotra hafa vaovao ao anatin'ny serasera.
Tetikasa vitsivitsy
Araka ny efa nolazaiko teo dia ny fanatsarana ny serasera amin'izao fotoana izao aloha no maika. Inoako fa rehefa vita izany dia ho mora ny manamboatra sites hafa. Ireto ary ny tetikasa vitsivitsy izay noeritreretina mbola hatao rehefa milamindamina ny fanavaozana. - admin : toerana ahafahana mampiditra olona hitantana ny sites eto amin'ny serasera. - pages personnelles : mba ahafahan'ny namana manana ny toerana manokana ho azy eo amin'ny internet. Misy tolotra vitsivitsy azo atao amin'izany (blogs, albums, sns) - cartes virtuelles : ahafahan'ny namana mifandefa firariantsoa - services payants : hisy fomba ahafahan'ny namana mavitrika mandoa vola ho vidin'ny tolotra (services) fanampiny ilainy. Ohatra fotsiny hoe atao sites tsy miankina amin'ny serasera ny pages personnelles-ny. (any zany vao mety hanomboka ny fandraisam-bola :-)
