SIngapour
From Wikianja
Mombamomba an' i Singapour/ Eto ny @ teny Frantsay
Firenena kely aty @ Asie du Sud Est izy..tena kely tokoa satria zara raha misy ohatra an' i Tana ville ny halebeny....atao hoe Ivato-Ambanidia, sy Analamahitsy-Tanjombato.
Misy mponina 4millions fa ny antsasany ihany no tompon-tany fa ny antsasany olona mivezivezy (mpianatra, mpiasa....)
Tsy misy tena Singapourien pur aty fa metissage Malay - Indonesiens ary Sinoa...Ohatry ny Gasy ny ankamaroan' ny endriny noho ireo fifangaroana ireo. Mitovy2 @ tantarantsika ihany aloha e. Izany hoe ts dia mahatsiaro tena ho vahiny zany za aty e, satria mitovy2 endrika sy volon-koditra ny ankamaroan' ny olona afatsy ny tena sinoa, karana na ny fotsy hoditra izay tena maro be.
Anisan' ny tanana madio indrindra i SIngapour ary antsoina hoe Fine City(JEREO ANGE ITY E!!)
...Fine izany ny lamandy e...satria bdb ny tsy azo atao...Tsy mahazo mihinana siligoma, tsy mahazo miampita @ tsy fiampitana, tsy maintsy manisy ceinture anaty tobil, tsy mahazo miady, tsy mahazo mias araha mpianatra,...bdb bdb ary tena tsy misangy ry zareo satria feno camera eraky ny tanana
Toerana anisan' ny tsy ahitana kolikoly mihitsy koa i Singapour nohon' ny resaka Technologie ampiasiny.
tsy misy politika na dia lazaina fa repoblika demokratika aza. Ny antony dia fianakaviana daholo ny ankamaroan' ny mpitondra ary mpanao Lalana. Ka izay olon amiteny dia azony gadraina @ indro kely ho mpanakiana fahatany. Tsy misy mpanohitra mihitsy aty ny marina. Na izany az amisy ny antsoina hoe "Speaker's corner", place kely zara ra antonina olona 5 eo @ zaridaina iray eny Chinatown, miditra ao anatin' ilay cercle izay rehefa te hiteny...kanefa mazava ho azy holazain' ny olona ho adala ka tsy misy mampiasa ilay izy.
Na izany aza anefa tsy mitaraina ny olona satria miasa tsara ny Governemanta, manan-karena i SIngapour ary anisan' ny manana farim-piainana tena ambony ny mponina eto. Mitovy daholo ny olona, tsy hita faritra ety ivelany ny hoe tena manana na tena mahantra fa mitovy daholo.
Fahadiovana, tsisy Kolikoly, tsisy Politika , Fampiharana Lalana, no mampalaza fa indrindra indrina ihany koa ny Teknolojia, raha tsy hiresaka afatsy ny Electronic ao Madagasikara, telephone, ordi sns izay avy aty SIngapour daholo ny ankamaroany.
Jereo eto ny momba Fianarana eto Singapour
Izay aloha no azo nosoratana androany..hehe
Merlion: embleme Singapour
