Mpikambana:Pissoa
From Wikianja
Manao ahoana ianao!
Tsy ampy ahy mihitsy ilay litera 100 ao amin'ny namana dia eto aho no manoratsoratra - oops. Dia izay mbola tsy afa-po eto an, dia mahazo manoratra aty amiko. Andramo tokoa hoe raha mandeha - hihihi
Contents |
====Zavatra atao==== Jereo ao amin'ny momba ahy ao amin'ny namana;)
Ny marina dia mbola mianatra aho. Mbola mianatra foana hatrami'izao. "Scientifique" fa tsy "Scientiste".
====Zavatra nandiso fanantenana==== Tsy hitako akory izay fian'ilay nandeha avion, izaho fotsiny no lany andro nitsiriritra ireny tamin'ny mbola kely, lol
====Zavatra mahavariana==== Mitovy foana ny fanomezana omeko an'i Dadanay sy i Neninay rehefa Fete des Peres na Fete des Meres. Fa tsy ho teneniko eto fa mampihomehy be!
====Zavatra tsy tiana==== Rehefa mijery mail ka tsy misy hafatra vaovao akory - grrr; mitondra elo na fahavaratra aza; miandry vintana; mifoka rongony sy ny karazany rehetra; mihinana fanafody ...
Zavatra tiana
=====Raha sakafo dia ...===== Be dia be, ohatra hoe voamadilo, dia ny hanina sy voankazo manta toy ny manga, paiso, paoma, karaoty, ovy, ... inona koa re? hihihi, andalam-pivikana angamba! Sakafo manta no tena tiako satria izaho angamba no olona faran'izay tsy mahay mahandro sy manao lakozia indrindra fantatrao anarana :-P =====Ary raha tsy sakafo ...===== Tia mamaky tononkalo. Isaorana manokana ny mpandrindra eto amin'ny serasera noho ny takelaka http://serasera.org/vetso hahafahako mamaky tononkalo foana. Anisan'ny mpanoratra tiako ato i Ny Eja, Tsiky dia ampy, Raozy sy ny maro hafa. Singaniko koa i Toetra. Teny fohy isan'andalana, fa sady miady ny rima no feno ny hevitra!
Toy ny olona rehetra dia tia mozika (mihaino fa tsy milalao). Ny mpihira gasy tiko be dia be, fa ny mpihira vahiny dia i Michael Buble, indrindra fa ilay hira hoe You'll Never Find Another Love.
Mankafy natiora. Mahafinaritra ahy ny mandeha an-tongotra lavitra, na dia tsy mahavita toy ny nataon'ny olona tamin'ny tsy mbola nisy sarety sy fiara aza. Toy izany koa mianika ireny tendrombohitra ireny. Fahafinaretako be ny tratran'ny orana eny an-dalana, hihihi. Fa ny avandra tsy tiako fa efa tratra aho mantsy dia naratra mihitsy ny tanako sy ny tongotro; dia ny lohako narary be fa mba tsy naratra.
Mivanitika ... dia mbola misy hafa betsaka fa ireo aloha no tadidiko, hihihi.
====Fialam-boly==== Izaho ohatran'ny tsy mahatsiaro voly izany ka tsy hitako izay tokony ialako voly! Sa ve hoe izaho rehefa miasa sy mianatra dia ataoko toy ny fialam-boly foana, hihihi.
====Hafatra==== http://pissoa.blaogy.com/category/9/26
