Hehe! Mba hanoratra eto amin'ny wikianja hono izany i lapino :)
Ny voalohan-teny dia Misaotra an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra! :-)
- Ilay solon'anarana: Anaram-bositra nomen'ankizy kely no niandohan'io, fa izany hoe mahafinaritra ahy ireo ankizy ireo, dia lasa tiako koa ilay anaram-bositra.
- Ny zavatra tiako: Be dia be ny zavatra tiako, singaniko manokana ny sakafo. Ankoatra izay ny karazana zava-kanto rehetra, na dia tsy mpanakanto mihitsy aza aho. Tsy àry ho voatanisako fa ao ny karazan-tsary, mozika, dihy, arts martiaux, hira, tononkalo, kabary, sarimihetsika, sns. Gitara sy piano no ikitikitihako kely, dia izay ihany. Ankoatra izay dia tia miresaka momba ny siansa sy teknolojia sy ny manodidina aho. Manana passion kely amin'ny informatika na tsy dia mahay loatra aza. Ny kilalaoko dia fanorona, belote, echecs, baolina boribory. Tiako daholo izany raha vao zavatra misy originalité, ary mampiseho ny tanjaky ny saina/vatan'ny olombelona. Te-hahalala momba ny psykôlôjia sy pôlitika ary lalàna koa aho fa tsy misy fotoana sady ... tsy mety e. Dia mijery sy mandinika fotsiny rehefa misy miresaka an'izany. :-)
Farany misy ventiny: ny MalaGasy sy ny taniny.
- Ny zavatra tsy tiako: Misy toe-tsaina tsy tiako amintsika malagasy, ary izaho mihitsy no misy an'ilay izy, dia mahakrizy an'ah foana. Ny Feo Gasy no niteny azy tamin'ny hirany iray izay hoe: "Izay lasa aloha hantsoinay, izay taraiky handrasanay". Ka tsy izany ve no antony tsy mampandroso antsika?!
Ny mampalahelo ahy iray koa dia ny mahita couple nisaraka. Mampijaly ange e, marary daholo ny roa tonta! Dia mba miteny aloha za, hoe Aza misaratsaraka izany!
- infogasy.net: vohikala malagasy natokana ho an'ny informatika, misy lahatsoratra vitsivitsy nandraisako anjara ao amin'ny wiki-ndry zareo ao. Misy lahatsoratra natao ho azon'ny rehetra, izay informatisiana moa mahita izay ilainy. Araraotiko koa ny miantso namana mba hanampy tanana ao, na dia resaka fanitsiana tsipelina fotsiny aza dia mety, manampy manoratra vao mainka tsara :-) . Jereo eto: infogasy
- Isika namana : Faly aloha za miserasera amin'ny namana gasy eto, isaorana ny mpikarakara :). Raha misy te hifankahafantatra bebe kokoa amiko dia vonona hiresaka foana aho. Lazaiko ihany anefa fa ifampizarako amin'i Ryana ny heviny ao amin'ilay tononkalo hoe "namako any ho any"
Ity koa misy toraka blaogy kely: (andraso kely fa tsy haiko ny rohy)