Mpikambana:Anarim

From Wikianja

Jump to: navigation, search

image:Anarim.jpg rehefa mahita wé "Anarim" nareo d Minosoa RAONIARIMANGA zay! Mino no fiantso mahazatra ahy. Teraka tamin'ny 13 avrily 1976 tao Ambohidrabiby, Avaradrano (teny @ tokotany filalaovan'Andrianampoinimerina ré zany a! hi hi hi). Pasitera retirety ny dadako, ary tamin'izaho 6 taona no maty ny reniko! Enina mianadahy (telo lahy, telo vavy) izahay no zanak'i dada sy neny, ary izaho no farany indrindra. Nifankahita tamina tovolahy iray izay aho ny taona 1995, Miara no anarany, ary lasa vadiko izy taty aoriana, mananjanaka vavy tokana iray izahay hatramin'izao aloha, Mirana Liantsoa no anarany. Folo taona izay no nifampizarako ny mamy sy ny mangidy t@ i Miara, ary dimy taona ny zanakay izao. Teny vahiny no nianarana sy nohalalinina teny @ anjerimanontolo, ary rehefa nahazo ny maripahaizana "Licence" dia nijanona nianatra fa kamo vavy. Mba nahita asa ihany nefa; ary dia miezaka hatrany hanasoa ny tena, ny ankohonana, ary ny fiaraha-monina. Tsy mbola haiko izay hifampizaran'ny ampitso amiko, fa isa-maraina dia tsaroako ilay tenin'ny Tompo Andriamanitra hoe "Fa ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany", koa dia eo ampelatanan'ny Tompo ny fiainako sy ny fanantenako rehetra.

Serasera.org