Mpikambana:ANARIM
From Wikianja
Rehefa mahita hoe "Anarim" ianareo dia Minosoa RAONIARIMANGA izay! Mino no fiantso mahazatra ahy. Teraka t@ 13 avrily 1976 tao Ambohidrabiby, Avaradrano (teny @ tokotany filalaovan'Andrianampoinimerina io ho an'izay tsy mahalala). Pasitera retirety ny dadako, ary tamin'izaho 6 taona no maty ny reniko! Enina mianadahy (telo lahy, telo vavy) izahay no zanak'i dada sy neny, ary izaho no farany indrindra (faravavy fa tsy mihanta...)
Nifankahita tamina tovolahy iray izay aho ny taona 1995, Miara no anarany, ary lasa vadiko izy taty aoriana, mananjanaka vavy tokana izahay hatramin'izao aloha, Mirana Liantsoa no anarany. 11 taona izay no nifampizarako ny mamy sy ny mangidy t@ i Miara, ary 6 taona ny zanakay izao.
Teny vahiny no nianarana sy nohalalinina teny @ anjerimanontolo, ary rehefa nahazo ny maripahaizana "Licence" dia nijanona nianatra fa kamo vavy. Mba nahita asa ihany nefa; ary dia miezaka hatrany hanasoa ny tena, ny ankohonana, ary ny fiaraha-monina.
Tsy mbola haiko izay hifampizaran'ny ampitso amiko, fa apetrako eo ampelatanan'i Jesosy ny fiainako sy ny fanantenako rehetra.
Récupérée de « http://wiki.serasera.org/index.php/Blog:Anarim/Iza_Moa_I_Anarim »
