Fanampiny
From Wikianja
Lafo dia lafo ny fiarakodia satria 300% eo ho eo ny taxe. Ilay COE voalaza io dia karazan' ny carte grise any amintsika, tena lafo be mihitsy.
Ny fakana permis dia 1-3 taona ary tena lafo koa.
Ny marina dia satria kely ny tanana ka Politika ampiasain' ny Governemanta daholo izany mba tsy hividianan' ny olona fiara, ialana @ embouteillage sy ny fahalotoan' ny tanana.
10taona ihany ny fiara eto Singapour aorian' ny hividianana azy, vaovao mazava ho azy, no azo ampiasaina. Ho an' ny olontsotra fa raha fiara miasa toy ny bus sns tsy haiko lotra kanefa hentitra ny fepetra inoako.
Rehefa feno 10taona ny fiara tsy azon' ny tompony ampiasaina intsony fa alefan' zareo any @ ireo firenena mifanolobodirindrina na simbaina.
Noho izany dia raitra dia raitra ny Fitateram- bahoaka: - tsy maintsy misy clim - madio - misy tele - tsy azo isakafoanana na isotroana na rano aza - tsy mahazo ampiakarana tongotra - tsy mahazo itabatabana fa manakotaba ny manodidina. Manapotsitra bouton rehefa hijanona - tsy azo itondrana sakafo mahery fofona indrindra fa ny durian sns....
Ho an' ny mpitsangatsangana
Ducktour: sady mandeha @ arabe no afaka mandeha koa anaty rano, mivadika sambo rehefa anaty rano




