Eseky

From Wikianja

Jump to: navigation, search

Eto no ahitana ny fampianarana Eseky. Angonina eto aloha dia avy eo hapetraka ao amin'ny lalao.serasera.org rehefa vita

Mba ahafahana manoratra eto dia mila mampiditra solonanarana serasera.org


[Midira eto mba ho afaka hanoratra]

Contents

Ny tanjon'ny lalao

Ny Eseky moa izany dia lalao iray handraisan'olon-droa mpifanandrina anjara. Izy ity de lalao iray mifandraika @ ireny ady hifanaovan'ny mpanjaka roa miady fanjakana t@ andro fahiny ireny. Samy manana ny miaramilany sy ny tafikany ny mpifanandrina roa tonta. Miloko fotsy sy mainty miavaka tsara ireo andian-tafika ireo hoan'ny mpifanandrina tsirairay avy. Ny mpifanandrina miloko fotsy no manomboka voalohany ary ny tanjona dia ny hampilavo lefona ilay mpanjaka ankilany.

Mizara telo ny fizotran'ny lalao :
- Fanombohan-dalao,
- Antenatenan-dalao,
vita ny fanokafana rehefa tafavoaka daholo ny vato ary vita ny manda (roque)
- Famaranan-dalao,
vato vitsivitsy sisa eo ambonin'ny takela-dalao

Mba ahafahana milalao eto @ lalao.serasera.org , rehefa voavaky ity fampianara ity de jerena eto ny fomba filalaovana.

Ny endriky ny latabatra


Ny latabatra fotsiny:

Sary:latabatra_notra.jpg

Samy manana miaramila (pieces) mitovy avy ny mpifanandrina roa tonta. Misokajy maromaro ireo:

  • ny miaramila (pion) na vato Sary:Vatatay.gif
  • ny toro (tour) na saritilikambo Sary:toro.gif
  • ny Soavaly (cavalier) na farasy Sary:soavaly.gif
  • ny adala (fou) na ilaiadala Sary:adala.gif
  • ny mpanjakavavy (reine) Sary:mpanjakavav.gif
  • ny mpanjaka (roi) Sary:mpanjakalah.gif


Ny latabatra feno:

Sary:latabatra_feno.jpg

Toeran'ny pièces tsirairay

Apetra @ sisiny roa mifanandrify ny miaramilan'ny mpifandrina (symetriquement oppose), toy izao ny fipetrany eo @ lafiny mpifanandrina iray:

  • Ny "pion", de samy manana valo (8) avy ny mpifaninana ary mipetraka eo @ laharana faharoa eny @ misy ny mpifanandrina tsirairay izany.
  • Ny "Tour" de samy manana roa (2) avy ary @ farany sisiny (extremites) roa @ laharana voalohany eny @ misy ny mpifanandrina no apetraka, kazy (case) a1 sy h1 hoan'ny fotsy (jereo sary etsy ambany).
  • Ny "Cavalier" miisa 2 ihany koa ary manaiky ny "tour" @ sisiny roa no asiana azy, kazy b1 sy g1.
  • Ny "fou" miisa 2 ihany koa ary ao arianan'ny "cavaliers" @ sisiny roa no asiana azy, laharana voalohany daoly izany rehetra izany, kazy c1 sy f1.
  • Ny "reine" de eo afovoany @ laharana voalohany no misy azy ka raha fotsy ny lokonao (manomboka voalohany) de eo @ kazy fotsy (d1) izy no apetra, ary raha mainty ny lokonao de eo @ kazy mainty (d8) izy.
  • Ny "roi", eo @ toerana iray sisa malalaka @ laharana voalohany mifanandrify @ mpifanandrina kazy e1 hoan'ny fotsy.


Mba hahafantarana hoe tsy mivadika ny latabatra dia tsy maintsy kazy fotsiny no any amin'ny sisiny ambany ankavanan'ny mpilalao.

Toy izao ary ny endriky ny latabatra rehefa tafapetra tsara daoly ny piesy rehetra:

Sary:latabatra_feno.jpg

Ny piesy tsirairay

Araky ny maha lalao azy de manaraka fitsipika mazava ny fomba famindrana ireo piesy miaramila ireo. Amin'ny fomba tsotsotra de toy izao no fandehany:

  • Ny "pion" rehefa mandroso de mande mahintsy (droit) ary kazy (case) iray ihany isaky ny anjaran'ny mpifanandrina, tsy afaka miverina, rehefa mihinana (mamono miaramila mpifanandrina) de mande misompirana (diagonale)
    Noho izany dia mifampiaro ny pions milahatra manaraka diagonale iray, ny aoriana miaro ny pion eo alohany. Ny pion any aoriana indrindra izany no fototr'ilay laharana, ka raha handrava azy dia tsy maintsy avy any aoriana. Manana ny tanjany manokana amin'ny fiarovana ny laharana pions, ary isan'ny zavatra tandroana ny tsy haharava azy.
    Ny pions roa mifanakaiky amin'ny tsivalana iray indray dia miambina ny kazy eo alohany rehetra (miisa 4), fa tsy mifampiaro kosa.
    Araka izany dia fahalemena ny pions roa tafaraka tsanganana. Fahalemena koa ny laharana pions bangabanga ohatra ny nify voan'ny totohondry. Ny pion mandeha irery tsy misy namana eo amin'ny ankavia sy ankavanany dia mora enjehina.

    Sary:Pion.jpg


  • Ny "tour" de afaka mandroso sy miverina mahintsy (droit) sy mitsivalana (perpendiculaire) ary afaka mande kazy araky izay ilaina (raha toa ka tsisy sakana). Toy izany koa rehefa mihinana.
    Ny tour dia piesy iray izay matanjaka tokoa satria afaka miambina kazy miisa hatramin'ny 14 izy, mahatakatra lavitra eo ambony latabatra. Ny olana aminy fotsiny dia noho izy mipetraka ery amin'ny zorony, hany ka tsy afaka tonga dia miasa hatramin'ny voalohan'ny lalao. Mila latabatra malaladalaka izy vao afaka ampiharana ny tena tanjany. Noho izany koa moa dia ifandrombahan'ny tour ny haka izay tsanganana (colonne) malalaka eo ambony latabatra, izay efa niala teo ny pions-ny. Mandrava tanàna mihitsy izy rehefa miaraka ampiasaina ny tour anankiroa, na ampiarahina amina piesy hafa
    Fomba iray hamoahana ny tour ho afa-miasa haingana ny fanaovana roque izay hazavaina etsy ambany.

    Sary:Toro.JPG


  • Ny "Cavalier" rehefa mandroso (na koa mihinana) de manaraka ny "forme" L, izany hoe mandroso (mahintsy na mitsivalana) kazy telo, de mitsivalana (perpendiculaire @ ilay marche voalohany) kazy iray
    Araka ny hita eo amin'ny sary eo ambany, dia mahaambina kazy 8 manodidina azy ny soavaly. Matanjaka kokoa izy raha eo ampovoan'ny echiquier noho ny raha amin'ny sisiny. Eo amin'ny zorony izy no tsy matanjaka indrindra satria kazy 2 ihany no afaka hifindrany. Ny tena mampiavaka azy amin'ny piesy rehetra moa dia ny fahafahany mitsambikina izay piesy eny amin'ny lalany.
    Apetraho amin'ny toerana iray ange ny soavaly, afindrao amin'ny toerana iray izay tianao. Dia isao hoe im-piry mihetsika izy no tonga eo amin'io toerana io...
    Ny soavaly koa, noho izy afaka mitsambikina ny piesy rehetra, ary noho ny lalana afaka alehany izay misandrahaka manodidina azy fa tsy manaraka hitsy toy ny piesy hafa, dia matanjaka mihitsy raha hanaovana fourchette, izany hoe anafihana piesy roa na maromaro indray miaraka.

    Sary:Sovaly.JPG


  • Ny "fou", rehefa mandroso (na koa mihinana) de mande misompirana (diagonale), afaka miverina ihany koa ary tsy misy fetra ny isan'ny kazy azo andehanana
    Noho izy mandeha diagonale, dia tsy miova loko mihitsy ny kazy misy ny fou iray. Ny fou eo amin'ny kazy fotsy dia kazy fotsy fehizay no misy azy, fa tsy ho tafafindra amin'ny kazy mainty mihitsy. Toy izany koa ny amin'ny kazy mainty.
    Noho izy mikisaka manaraka ny diagonale koa, dia mety hifampisakana amin'ny laharana pion izy, ka mety ho bloqué tanteraka mihitsy aza noho ireny. Atao hoe "mauvais fou" izy raha ohatra ka voasemban'ny pions ny lalana afaka ivezivezeny. Indraindray tsara atakalo "bon fou" na soavalin'ny mpifanandrina ny "mauvais fou", indraindray mety ho azo avadika ho lasa "bon fou" amin'ny alalan'ny fifanakalozana pions ohatra, na fanovana hafa.

    Sary:Bishop.jpg


  • Ny "Roi" de afaka manao izay azon'ny tour sy fou atao, indray miaraka, izany hoe afaka mande mahintsy na misompirana fa saingy kosa tsy afaka mande mihoatra ny kazy iray izy
    Ny "roi" moa dia piesy arovana foana satria izay maty roi no resy amin'ny lalao. Kanefa amin'ny faramparan'ny lalao dia mety ho lasa mpanafika mahery vaika koa izy.

    Sary:Radama.jpg


  • Ny "reine" na "dame" de afaka manao mitovy @ roi fa ambonin'izay tsy voafetra ny kazy azony andehanana
    Azo lazaina koa hoe sady afaka manao ohatra ny fou izy no afaka manao ohatra ny tour. Noho izany dia mihatra aminy ny momba ireo piesy roa ireo. Ny dame izany no piesy matanjaka indrindra. Sady piesy fanafihana mahery vaika izany izy io, no piesy arovana koa satria ifanenjehan'ny piesy hafa an'ny mpifanandrina.

    Sary:Ranavalona.jpg

Fitsipika samihafa

Misy fitsipika hafakely tsara ho fantatra, izay mbola tsy voalaza, ao @ filalaovana eseky. ireto avy izany:

  • Mifandimby manetsika miaramila ny mpifandrina :-D
  • Ny fotsy foana no manomboka voalohany.
  • Raha mbola tsy nihetsika mintsy ny pion, de afaka mandroso kazy roa, jereo sary etsy ambony.
  • Raha mbola tsy nisy nihetsika t@ toerany ny roi sy ny tour iray ary malaka ny toerana manelanelana azy roa (izany hoe tsy eo @ toerany intsony ny cavalier sy fou, na koa reine), de afaka manao "Roque". Afaka mandingana kazy roa ny roi ary apetraka eo @ kazy fitoeran'ny fou (na cavalier), ny tour kosa lasa manoloana azy eo @ toeran'ny reine (na fou respectivement). Tandremo anefa fa tsy mahazo manao 'Roque' koa raha :
      <li>Voatandroka eseky ny roi</li> <li>Misy piesy mitifitra ny iray amin'ireo kazy manelanelana ny roi sy ny tour</li>


    Roka kely

    Sary:Roka_kely.jpg Sary:Roka_kely1.jpg

  • Roka be

    Sary:Roka_be.jpg Sary:Roka_be1.jpg

  • Raha tonga any @ faran'ny kazy an'ny mpifanandrina ny pion iray dia tsy maintsy avadika amin'iray amin'ny "Cavalier", "Fou", "Tour", "Reine"'. Mety manana reine betsaka izany ny mpilalao iray rehefa mande kelikely ny lalao.
  • Aza adino, ny tanjona de ny hamono an'ny roi an'ilay mpifanandrina.
  • afaka manao ady sahala rehefa hita fa tena samy ati-doha be daoly ny mpifandrina ka tsy hisy ho resy, tsy maintsy hoe mifanaraka ny mpifandrina vao mety io. Eto @ serasera manokana de soratana fotsiny hoe "DRAW" de alefa. Matetika izy ady sahala rehefa misy etsika mitovy miverina in-telo na "coup forcé" io na tsotra, ohatra amin'izany ny "Echec perpetuel". Ary farany misy ny antsoina hoe "PAT" izay ady sahala ihany koa fa ity indray dia rehefa tsy afaka mihetsika intsony ny piesy rehetra afa-tsy ny roi, nefa ny kazy hihetsehan'ny Roi efa voatily daholo ary tsy voatandroka eseky anefa ny Roi.
  • azo atao koa ny miteny hoe resy aho raha toa ka hita fa tsy ho avitra intsony, @ izay fotoana izay de nandresy @ fomba mazava ilay mpifanandriana aminao. Eto @ serasera, soratana ny hoe "RESIGN".

Karazana Fanokafana ny lalao

Misy karazany maro tokoa ny fomba fanokafana ny lalao eseky fa ny tena fampiasan'ny olona matetika amin'ny ankapobeny no ho jerentsika eto:

Fiarovana Siciliana
1. e2-e4, c7-c5

Sary:Siciliana.jpg
Ny mainty dia tsy mihinana ny pion eo aloan'ny mpanjaka fa mitetika ny hanakana ny fampiasana ny kazy d4 @ alalan'ny fifanakalozana pion.

2. Cg1-f3, Cb8-c6
3. d2-d4, c5xd5
4. Cf3xd4, Cg8-f6


Alekhine
1. e2-e4, Cg8-f6
2. e4-e5, Cf6-d5
3. d2-d4, d7-d6

ity fanokafana ity dia anisan'ny moderina.

Sary:Alekhine.jpg

Ruy Lopez na Espanola
1. e2-e4, e7-e6
2. Cg1-f3, Cb8-c6
3. Ff1-b5

Sary:Espanola.jpg
Ny fivoahan’ny fou io no mahatonga ity fanokafana ity ho Espanola. Ity dia anisan’ny fanokafana tranainy indrindra. Ny tanjona ho an’ny fotsy eto dia ny mametraka fampitahorana ankolaka ny pion eo @ e5. Izany hoe mihinana ny Kavalie eo @ c6 dia tsisy mpiaro ny pion eo @ e5.

Fanokafana Italiana (4C) :
Ny mampiavaka ny fiarovana italiana dia ny fampiasana ireo Kavalie efatra. Ity @ ankapobeany dia manome ny fotsy tombony hamelatra ny lalao.

1. e2-e4, e7-e5
2. Cg1-f3, Cb8-c6
3. Ff1-c4, Ff8-c5
4. Cb1-c3, Cg8-f6
5. d2-d3, d7-d6

Sary:Fanokafana-Italiana.JPG

Safidy:
misy safidy roa eo @ etsika faha 6 dia ireto avy izany:

6.a) Fc1-g5, h7-h6

Ity hetsika ity no fanaon’ny olona @ ankapobeny satria mbola hahafahan’ny fotsy mahazo tombony @ lalao.

6.b) Fc1-e3, Fc5-c3 na Cc6-a5

Ity dia tsy misy tombony ho an'ny fotsy raha tsy ohatra angaha ny hetsiky ny mainty dia Fc5-c3 izay manome ny fotsy ny fitantanana ny ivo ary ny ilany izay manomboka misokatra

Fiarovana Frantsay

1. e2-e4, e7-e6
2. d2-d4, d7-d5

Sary:Frantsay.jpg

mahazo toerana idealy tsara ny fotsy noho ny famindrana e2-e4 kanefa ny mainty kosa dia mamaly bontana @ fanerena ny pion eo anoloan'ny mpanjaka izay eo @ d5. Misy safidy telo azon’ny fotsy atao dia ireto etsika ireto izany:

Safidy:

3.a) e4-d5, e6-d5
Fifanankalozana izay matetika miafara @ ady sahala nohon'ny fifandanjan'ny lalao.

3.b) e4-e5, …
Ity dia vitsy mpampiasa, indrindra @ fifaninanana .

3.c) b1-c3, f2-f3
Tsy mihinana ny fotsy eto fa miaro ny pion eo @ e4 fotsiny.


Nimzovich

1. d2-d4, Cg8-f6
2. c2-c4, e7-e6
3. Cb1-b5, Ff8-b4


Sary:Nimzo.JPG
Misy safidina etsika telo izany ho an'ny fotsy:

4a.) Dd1-c2 miaro ny faritra e4
4b.) e2-e3 na koa antsoina hoe 'Rubinstein' izay tena be mpampiasa tokoa.
4c.) a2-a3 , Fb4-c3 na koa antsoina hoe 'Samisch' ity dia mitarika ny etsika faha dimy 5c.) b2-c3

Mpanjaka vavy Gambit
1. d2-d4, d7-d5
2. c2-c4, e7-e6

Sary:MpanjakaV.JPG

3. Cb1-c3, Cg8-f6
4. Fc1-g5, Ff8-e7
5. e2-e3, ...


Lalao ekosay
1. e2-e4, e7-e5
2. Cg1-f3, Cb8-c6
3. d2-d4, ...


Sary:Ekosay.JPG
inona no tena safidina etsika mety ho an'ny mainty eto hoy ianao? ny valiny : e5-d4. ity dia mazana lalao mifandanja h@ farany raha tsy dia manao adisona @ etsika.

Mpanjaka Gambit
1. e2-e4, e7-e5
2. f2-f4, ...

Sary:Mpanjaka.jpg
Misy safidy etsika telo azon'ny mainty atao:

2a.) ..., e5xf4 mihinana ny mpanjaka Gambit izany ity etsika ity.
2b.) ..., f7-f6 na d7-d6 miaro ny pion eo @ e5. marihina fa ity no etsika tsy mamaly indrindra @ ireo safidy ireo.
2c.) ..., d7-d5 ity dia fanosehana ny fanafihana ka samy mihinana ny roa tonta.


Eseky Piozila

Ity fichier pdf ity dia misy karazana piozila maro tokoa manomboka @ etsika roa dia eseky maty ka h@ etsika dimy. Misy sahaza ny ambaratongam-pahaizana rehetra @ vao mianatra ka h@ efa za-draharaha. Metimety angamba raha manomana taratasy sy penisily hazo @ izany. Dia mazotoa mamaha olana ary e! Marihina fa @ teny anglisy izy ity kanefa mora azo tsara.

Ny valiny rehefa tsy voavahana dia efa ao @ farany ity fichier ity ihany.

ity izany ny rohy: [1]

Fampiasan-tsaina Online:

ity misy olana vitsivitsy mba hitadiavo vaha-olana ange raha tianao atao:

rohy 1: [2]

Vaha-olana iray momba ny fanisahana Soavaly ao anatina cases 12 tsy ankiverimberina. Hiainga eo amin'ny fangitra "a1" isika, na Sa1 (Soavaly apetraka eo amin'ny case a1).

0. Sa1 1. Sa1 - c2 (Soavaly a1 mandeha amin'ny c2) 2. Sc2 - a3 3. Sa3 - b1 4. Sb1 - d2 5. Sd2 - b3 6. Sb3 - c1 7. Sc1 - a2 8. Sa2 - c3 9. Sc3 - d1 10.Sd1 - b2 11.Sb2 - d3

Azo atao ny miainga amin'ny fangitra hafa toy ny b3, c3, d3 sns... ka mbola tadiavina izany ny "algorithme" mamaha ny fiaigana amin'ny fangitra 12.

Mbola vao hikaroka ny vaha-olana amin'ny cases 5 x 5 isika.

Mazotoa milalao.

--Mikavao 20 sep 2006 à 16:30 (CEST) rohy 2: [3]

Rohy ahitana fampianarana takitika eseky


NY DIDY FOLON'NY ESEKY

1. Aza manamaivana (sous-estimer) ny mpifanandrina aminao.
2. Aza atao an-tsirambina ny Fomba Fanokafana ny lalao (Ouverture).
3. Aza maika loatra hamoaka Piesy mavesatra raha tsy tena misy antony marim-pototra tsara (Piesy Mavesatra= Dame, Tour).
4. Aza misalasala mampivelatra ny pions, ny piesy rehetra ary manafina ny Roi @ alalan'ny Roque (Phase de Développement)..
5. Manajà ny Fifampiankinan' ny pions sy ny piesy rehetra mba hifehezanao maharitra ny Laka sy izay Colonne voasokatra (indrindra fa @ Milieu de partie).
6. Aza mifantoka afa-tsy amina fika tokana (combinaison) hatrany.
7. Aza manome Pions be fahatany na maimay hifanakalo piesy (indrindra fa @ phase de Finale de Partie).
8. Aza varivariana sao voafantsika (*Clouage) na voarangotra (**Fourchette du cavalier).
9. Aza hadinoina fa samy mikendry handresy daholo ny mpifanandrina saingy izay nahavita (Échec et Mat) voalohany ihany no mpandresy.
10. Aza kivy mihitsy nefa raha Resy, fa io no Sekolin'ny Fahombiazana.

p.s: Ireto no antsoina hoe Laka etsy amin'ny didy faha-5 (cases centrales= e4, e5, d4, d5 sy ireo manodidina azy akaiky indrindra)

*Clouage: Voafantsika na Cloué ny Pions na Piesy iray raha tsy afa-mihetsika eo amin'ny toerany mba hiarovana ny Roi tsy ho tratry ny échec.
**Fourchette: Mahavoa Pions na Piesy roa na maromaro indray miaraka ny Cavalier, ary tena loza ny afitsony raha sady manao échec au Roi ny rantsany iray no mahazo Pions na Piesy ny rantsany hafa !!


--Mikavao 4 mai 2007 à 16:36 (CEST)



Tena milay ity site ity
[4]

Serasera.org